Hoenti-manana

amin’ny fanamboarana sy fikojana làlana


  • Zoma 06 Martsa 2026

Fatiantoka ho an’i Madagasikara raha tsy mipetraka tsara

An-tapitrisa maro ny fantiantoka vokatry ny fahasimban’ny lalana eto Madagasikara. Ny lalana izay tsy natao hifamezivezena fotsiny fa famoahana ireo sopitra ara-toekaren’i Madagasikara. Raha ny fenitra dia tokony haharitra 15 taona amin’ny ankapobeny ny lalana iray vao manomboka potika. Antony telo anisany tsy mampaharitra ny lalana eto amintsika anefa hoy rtoa Nathalie RASAMISON avy amin’ny ONG Lalana ny tsy fandraisana sy fampandraisana anjara ireo tena mampiasa ny lalana. Ny tsy fisian’ny politika ankapobeny sy ny lafiny ara-bola izay nofoanana. Tsy fijerevana loatra ny mety ho fiatraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny tontolo iainana. Tafiditra ao anatin’ireo firenena nisitraka ny fandaharanasa ASII na Africa Sustainable Infrastructure Initiative, mifantoka amin’ny fampiroboroboana ny tokony hisian’ny faharetan’ny fotodrafitr’asa vaventy i Madagasikara. Tao anatin’ny 3 taona dia nanao fajohina ny mikasika ny fanamboarana sy ny fikojakojana ny lalana eto Madagasikara ny teo anivon’ny fiarahamonim-pirenena, nahitana ny ny ONG Lalana, ny CNPE, OSCIE, Transparency International Initiative Madagascar, ny fikambanana Manondroala Madagascar, ny Tafo Mihaavo, ary ny BIMTT ary ireo fiarahamonim-pirenena tany amin’ny faritra Diana, Melaka ary Menabe, izay novatsian’ny WWF vola. Fajohina na fampitahana izay natao nifandraika tamin’ny « principe » miisa 10 izay navoakan’ny firenena mikambana tamin’ny alalan’ny « Programme des Nations Unis pour l’Environnement». Isany nanaovan’izy ireo fanadihadiana manokana ny fanamboarana ny « autoroute ». Nisongadina tao anatin’izany hoy rtoa Nathalie RASAMISON ny fitarainan’ny olona izay nanana tany voakasiky ny tetikasa satria tsy vitsy tamin’izy ireo no tsy nahafantatra mialoha akory ho mandalo aiza ny lalana, ahoana ny fanoherana ny taniny,… Nentin’ny fiarahamonimpirenena teo anivon’ny tompon’andraikitra tamin’izany fotoana io fitarainan’ny mponina io saingy nanano sarotsarotra ny nazahoana ny teo anivon’ny fitondram-panjakana raha ny fanazavana.Nampahafantatra tamin’ireo sampandraharaha rehetra voakasiky ny fanamboarana sy fikojakojana ny lalana ireo « recommandation » nivoaka avy amin’ny fandaharanasa ASII moa ny fiarahamonim-pirenena omaly Alarobia 26 Novambra 2025 tetsy amin’ny Motel Anosy. Isany nasongadin’izy ireo tao anatin’izany ny tokony hijerena ny hoenti-manana rehetra, ara-bola, ara-teknika mialohan’ny hanaovana lalana na fanatsaran-dalana. Eo ihany koa ny tokony hisian’ny fampandraisana anjara mavitrika ny mponina eny ifotony izay mampiasa ny lalana ary ny fijerena ny fiatraikany amin’ny tontolo iainana.
Lalaina Rav
Sary : TT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT