Nisy ny fihaonana teo amin’ny Minisiteran’ny fitaterana sy ny mpitatitra taorian’ny fampahafantaran’ireto farany fa hiakatra manomboka ny 22 novambra ny saran-dàlana ho an’ny zotra nasionaly manerana ny Nosy.
Tapaka taorian’ny fihaonana, fa hisy ny fananganana kaomisionina, hodinihina ny toerana tokony hisy fampiakarana. Hatsangana amin’ny herinandro io vaomiera io na kaomisionina, ka tsy hisy fampiakarana mialohan’ny fitsanganan’izany. Didim-panjakana no hanendry ireo olona anaty kaomisionina. Hiaraha-manapaka ao anatin’io noho izany ny fetran’ny fampiakarana. «Hiarahana mametraka ny kaomisionina handinika ny fomba hanaovana an’izany fampiharana ny zavatra rehetra izany. Hatramin’ny iasan’ny kaomisionina dia tsy hisy ny fampiakarana. Atao ara-panjakana, ary ny hoe: azo hiodivirana sa tsia dia misy ny mety hijanona amin’io, misy ny mety hiakatra. Fiakarana iaraha-mandinika sy voalanjalanja tsara mba tsy hahazoana tsiny amin’ny vahoaka. Hodinihina ny mety ho toerana ahitana fiakarana, mety hisy toerana tsy ahitana fiakarana. Ahoana ny fiakarana azo ekena mba tsy hamono ny mpitatitra ary tsy hamono ihany koa ny vahoaka sy ny mpanjifa. Mandalo fotoan-tsarotra rahateo ny firenena, vao avy niatrika krizy ara-pahasalamana”, hoy ny Minisitry ny fitaterana Tinoka Roberto. Tsy misy angamba androany mpitatitra, mpisehatra mieritreritra hamono sy hampitondra faisana indray ny vahoaka, hoy ny fanamarihany. Misy ihany koa anefa, hoy izy, ny fitomboan’ny vidim-piainana, fitomboan’ny vidin’ny kodiarana, kojakoja, ka izany dia iaraha-mandinika amina latabatra boribory, hojerena izay antonony mba tsy hamono ny reniny, ary tsy hahafaty ny zanany. “Mila mitadidy isika mpitatitra, miara-manaiky fa misy ny saran-dàlana tsy maintsy hokitihina, ary misy ny tsy hokitihina. Isan’ny mason-tsivana, ohatra, ny haratsin’ny làlana. Rehefa elabe tsy nokitihina dia ohatran’ny hoe : misongadina sy midangana be », raha ny fanamarihan’izy ireo. Raha zohiana, misy ny tsy maintsy hiakatra, misy ny mety tsy hokitihina. Karazan’ny mitombina ihany ilay hoe: mitifitra lanitra hahavoazana tendrombohitra ny mpitatitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.