Hetsika fampanarahan-dalàna eto Antananarivo

Kodiaran-droa 6 no nampidirina am-balam-pamonjana


  • Alarobia 28 Mey 2025

Kodiaran-droa na moto miisa 6 no nampidirina am-balam-pamonjana na «fourrière»

rehefa niakatra tamin'ny lalan'ny mpandeha an-tongotra tetsy Ambohijatovo, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Hetsika fampanarahan-dalàna eo amin'ny fifamoivoizana izy io, hoy ny fanazavàna. Mitohy hatrany ny hetsika fandaminana ny fifamoivoizana ataon’ny polisim-pirenena eto Antananarivo. Ny 26 may 2025 teo no nipaingoran'ny Polisy avy ao amin'ny «Compagnie Urbaine d'Intervention» na CUI, izany hoe ny sampam-piarovana eto an-drenivohitra, ireo moto miisa 6 ireo ambodiomby tamin’ny fandikan-dalàna. Minia miakatra "trottoir" na lalan’ny mpandeha tongotra izy ireo ka nampidirina ambalam-pamonjàna eny Tsaralalana. Hisy hatrany ny hetsika tampoka tahaka izao ary tsy ny eny Ambohijatovo irery no hanaovana izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT