HETSIKA DONA

Kodiaran-droa 60 isa isan’andro no voasakana


  • Talata 18 Jona 2024

Mafotaka ilay hetsika Dona, natao hampiharana ny lalana ho an’ireo mpitondra

kodiaran-droa tsy manara-dalana eto an-drenivohitra. Hatramin’ny Sabotsy 15 Jona nanombohan’ny hetsika teo mantsy dia mahatratra 60 isan’andro ireo moto nosakanan’ny mpitandro ny filaminana ka misy ireo nogiazana avy hatrany raha misy kosa ireo nosavaina ka rehefa hita fa ara-dalana dia nalefa. Raha araka ny fanadihadiana natao tetsy Analakely omaly dia ireo mpitondra moto sy ny olona ho entiny tsy manao araloha sy manao taingim-be no tena henjehina amin’ity hetsika ity. Toraka izany koa ireo mandeha mafy sy misetrasetra nefa tsy manana taratasy fahazoan-dalana akory. Tsy maintsy mila ity taratasy fahazoan-dalana mamily ity mantsy raha vao latsaky ny 125Cc ny kodiaran-droa entina. Nisy tamin’ireo nosavaina omaly araka izany no nanaiky fa tena nanao fahadisoana tokoa. Nisy koa anefa ireo nilaza fa tsy nazava taminy ny antony nisakanana azy sy nanagiazana ny moton-ny. Nomarihin’ireo polisy moa fa tsy hijerena tavan’olona ity hetsika ity. Misy amin’ireo mpitondra moto sasany mantsy no miantso olon-kafa na ny lehibeny mba handamina ny raharaha. Nomarihin’izy ireo ihany koa fa miditra amin’ny fanenjehana ara-keloka sy ny fanasaziana ireo mpitondra moto sakanana nefa mitsoaka izy ireo noho izany mampitandrina ireo izay mikasa ny hanao izany.
Pati
Legende : Betsaka ireo mpitaingina moto tsy manao aroloha tahaka izao no voakasana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT