HERINANDRO MIALOHAN’NY FETY

Mihamafy hatrany ny fitohanana eto Iarivo


  • Talata 19 Desambra 2023

Raha efa nampitaraina ny maro tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fitohanana mialohan’ny

fety dia vao mainka mafibe izany nanomboka omaly Alatsinainy 18 Desambra, herinandro mialohan’ny hankalazana ny fetin’ny Krismasy. Lalana tokony hatao 15 na 20 minitra mantsy natao adin’ny roa sy sasany be izao. Anisan’ny nahitana taratra izany ny teny Ambohitrarahaba teny, Analamahitsy, Itaosy, Antanimena mivoaka Ankorondrano…. Tsy nisy izay tsy nikolay ny mpandeha noho izany antony nampitombo isa ireo olona tazana nandeha tongotra teny amin’ny arabe teny omaly maraina. Nambaran’ireo mpitatitra moa fa efa toro miisa 4 sisa no vitan’izy ireo nanomboka tamin’ny Sabotsy teo dia hariva ny andro. Vokatry ny fitohanana avokoa no mahatonga izany. Ny tompon’ny fiara anefa etsy an-daniny tsy manaiky fa tsy maintsy feno ny versement isan-kariva. Betsaka ireo milaza ny tsy hiasa intsony noho izany amin’ny Sabotsy 23 desambra ho avy izao na hiasa ihany fa hijanona eny an-tenantenany. Amin’io fotoana io anefa vao mikasa ny hivoaka hiantsena avokoa ny ankamaroan’ny maro ka izao dia efa homanina tsara ny saina fa tsy maintsy handeha an-tongotra izany. Toraka izany ihany koa ny ady amin’ireo mpangarom-paosy sy mpanao sinto-mahery izay manantena ny hampifaly ireo ankohonany ihany koa mandritra ny fankalazana ny fetin’ny Noely ho avy izao ka hanao izay faraheriny.
Pati
Legende : Tsy misy toerana izay tsy ahitana fitohanana eto an-drenivohitra amin’izao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT