Fifamoivoizana

Hentitra ny minisitry ny fitaterana « Karohina faran’izay haingana ny tompon’ilay lakana rendrika »


  • Alakamisy 16 Martsa 2023

Tsy maintsy karohina ato anatin’ny fotoana fohy, izany hoe faran’izay haingana hoy ny Minisitry ny fitaterana sy ny

famantarana ny toetr’andro Ramonjavelo Valerie ny tompon’ilay lakana namono nahafaty olona miisa 34 tany Nosy Faly ao anatin’ny distrikan’Ambilobe ny faran’ny herinandro teo. Toraka izany ireo niray petsapetsa tamin’ny tompon’io lakana io ka nahatonga ireo mpandeha tao anatiny ho nihoatra ny mety ny isany. Ministra miisa telo moa no indray tonga tany an-toerana omaly. Narahina fisaorana ny tafika an-dranomasina sy ny APMF any an-toerana dian’izy ireo tamin’izany. Tanjona ny hisorohana ny loza tsy hiverina intsony. Misy tamin’ireo olona velon’aina moa no mbola tsy hita hatramin’ny omaly noho ny tahony ny amin’ny mety hisian’ny fanadihadiana azy mikasika iny raharaha iny, indrindra fa ilay fivoahana an-tsokosoko saika hiazo an’i Mayotte.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT