Fifamoivoizana

Habakabaka mikatona amin’i Afrika Atsimo Horaisin’ny filohq Ramaphosa ireo iraka Malagasy anio ?


  • Talata 05 Jolay 2022

Hisy delegasionina Malagasy horaisin’ny Filoha Afrikanina Tatsimo Cyril Ramaphosa rahampitso talata 05 jolay 2022 mba hiresahana ny hifampidinihana momba ny famerenana ny fifandraisana an’habakakabaka eo amin’ny firenena

roa tonta, araka ny voalazan’ny fampahalalam-baovao any an-toerana Daily Mavrick. Ny faramparan’ny volana martsa, efa nisy ny deleasionina nalefan’ny Filohan’i Afrika Atsimo tonga teto, ary noraisin’ny filoha Rajoelina. Efa niresaka an’io ny Minisitry ny fitaterana Rolland Ranjatoelina fa nandresy lahatra amin’ny famerenana ny sidina ifandraisany amintsika amin’ny alalan’ny Kaompania Airlink izay hany tokana afaka manao izany ny Afrikanina Tatsimo tamin’ny alalan’ireo iraka ireo. Ny firenentsika moa hatreto, dia voalaza fa mbola manidy ny habakabaka amin’io firenena io, na efa nanokatra ny habakabaka ho an’ny firenen-drehetra aza. Anton’io ny karazana lonilony samihafa ka raha ny tatitry ny Daily Maverick ny fiandohan’ity volana ity, dia isan’ny anton’io ny tsy famerenan’ity Firenena ity ny volamena 73,5kg nentina lehilahy Malagasy miisa 3 tratra tany amin’ny seranam-piaramanidin’i OR Tambo de Johannesburg ny 31 desambra 2020. Nangataka ny fampodiana a’ireo ny Fanjakana Rajoelina, saingy tsy hamelan’ny Afrikanina Tatsimo hatreto. Manamafy ny ao Pretoria fa tany amin’io firenena io no nahatrarana ny fandikan-dalàna ka mila arahana ny lalàna any an-toerana. Voarakitra ao anatin’ity fampahalalam-baovao ity ihany koa ny filazana fa tsy faly amin’I Afrika Atsimo I Andry Rajoelina. Ny taona 2018 mantsy, dia nandoa vola tamina orinasa Afrikanina Tatsimo mba hanomezana fiaramanidina hampiasain-dRajoelina tamin’ny Propagandy ny Antoko TGV saingy tsy nomen’ilay orinasa akory izany, hoy ny Daily Maverick. Tsara ny mampahatsiahy fa taorian’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009 notarihin-dRajoelina dia tany Afrika Atsimo no nialokaloka ara-politika i Marc Ravalomanana. Misy ifandraisany amin’ireny ve ny fifanenjanana ankehitriny ? Miantraika any amin’ny lafin-javatra hafa satria misy mpandraharaha Afrikanina Tatsimo mampiasa vola amin’ny sehatra maro eto: fizahantany, varotra am-bongadiny, varotra antsinjarany,… Efa mivadika ho disadisa ara-diplaomatika sy antsojay ara-toekarena ny raharaha volamena, ny mety ho lonilony politika tany aloha,… ka dia mifanenjana izany ny andaniny sy ny ankilany. Andrasana izay mety ho tohin’ny dinika sy fifanatonana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT