Efa andro maromaro izao no nahitana fa betsaka ireo taxi-be eto an-drenivohitra no tsy mampiasa ilay gel fanosotra amin’ny tanana famonoana mikraoba sy bibikely intsony rehefa miditra eo am-baravarana.
Ny aron-tava sisa no tena takian’izy ireo mafy ary hajanony avy hatrany izay mpandeha tsy manana izany. Rehefa nanontaniana my mahakasika izany izy ireo dia fantatra fa tsy misy intsony ny fizarana izany avy amina fikambanana iray nanao izany teo aloha. Ny koperativa koa anefa eo an-daniny tsy manana fahafahana ny hanao izany ka voatery ireo mpandeha indray no tsy maintsy mivatsy izany na mitondra avy any an-trano. Raha araka ny loharanom-baovao azo ary dia ireo taxibe amin’izay no miantoka ireny gel ireny manomboka anio Alatsinainy ary manana zo hitaky izany ny mpandeha ho fiarovana amin’ny fiparitahan’ny coronavirus. Tsy mbola nahazoana valiny mazava moa ny avy eo anivon’ny koperativa na ny tompona fiara mikasika ity fiantohana ny gel desinfectant ity. Tsiahivina fa manomboka amin’ny 3.000 Ar dia mahazo azy ireny amina tavoahangy 15 cl eo ho eo, ampy ho an’olona 40 na 50 raha hay ny mitsitsy azy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.