Fifamoivoizana

Gare routière vaovao Nanaiky hifindra ny mpitatitra rehetra


  • Alakamisy 18 Janoary 2018

Tsy moramora ny fandaminana hatrehin’Atoa Rakotondrafana Fredinard filohan’ny ASTRAM amin’ny famindrana ireo mpitatitra amin’ireo tobim-piantsonana vaovao eto amintsika amin’izao.

 

 Ny 22 janoary izao no tokony hifindra etsy Andohatapenaka ireo mpitatitra mihazo iny lalam-pirenena fahenina (RN 6) sy fahefatra (RN 4) ary voalohany (RN 1) iny dia voatery nahemotra amin’ny faran’ny volana febroary, fanapahan-kevitra niara-notapahina tamin’ny minisitera tompon’andraikitra sy ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety. Antony dia mety hitarika korontana eo amin’ny samy mpitatitra, hoy Rakotondrafara Fredinard.  Misy amin’ireo mpitatitra sasany mantsy hoy izy no mbola hitrandraka ny zotra ary afaka mijanona eo amin’ny toerana nisy azy taloha izay efa nahazatra ny olona, raha efa lasa eny Andohatapenaka kosa ny sasany, toerana mbola vaovao be ka  zary mifamono ny roa tonta. Tsy maintsy miandry ny fahavitan’ny tobim-piantsonana eny Ambohimanambola izy ireo vao hiara-kifindra hisorohana ny olana mety hitranga. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa mbola betsaka ny fikarakarana sy fandaminana tokony hatao amin’ireo toby fiantsonana vaovao ireo hanomezana hafahafam-po ny mpitatitra sy ny mpandeha. Mikasika ny feo mandeha ny amin’ireo koperativa sasany tsy mety miala moa dia nanambara Atoa Fredinard fa tsy marina izany. Ekena fa misy amin’ireo koperativa ireo toy ny Cotisse, ny Vatsy no manana tobim-piantsonana manokana mihitsy ary araka ny lalàna dia afaka mijanona eo amin’ny toerana nisy azy ihany izy ireo. Ho tombontsoan’ny besinimaro dia nanaiky ny hiala izy ireo. Na izany aza anefa dia fantatra fa nametraka fepetra hentitra izy ireo ho fampandrosoana ny asa fitateram-bahoaka eto amintsika.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT