Gare Routière MAKI

Tsy niova efa 3 taona izao


  • Zoma 14 Aogositra 2026

ny saran-dalan’ny « Haute saison »

Amin'izao vanim-potoanan'ny fialantsasatra izao dia maro ireo malagasy no misafidy hiala sasatra mivoaka an'Antananarivo ka tena mahazo olona noho izany ireo taksibrosy. Ho an’ny Gare Routière Maki manokana, na eo aza izay fahamaroan'ny mpanjifa izay dia saran-dalana fampiasa rehefa Haute Saison izay efa fampiasa isan-taona izay efa nihatra nandritra ny telo taona ihany no mbola mihatra ankehitriny araka ny fanazavan'ny RATSIMIHABA Nirina Mamitiana , filoha lefitra voalohan’ny CPCTRV Gare Routière Maki Andohatapenaka. Noho izay fahamaroan'ny mpanjifa izay dia misy fepetra raisin'ny tompon’andraikitra ny amin'ny fanamafisana ny filaminana sy ny fahadiovana ivelany sy anatin'ny toby fiantsonana. Raha misy kosa anefa ny tsy fanarahan-dalàna dia efa misy ireo fepetra raisina mifanaraka amin'izany. Na maro aza ireo mpanjifa dia mbola maharaka hatrany ireo fiara izay mitatitra hoy hatrany ny fanazavana . Misedra olana ihany anefa ireo mpamily satria lasa tsy maintsy maka mpamily mpanampy indrindra ho an'ireo izay mampitohy an'Antananarivo sy Mahajanga. I Mahajanga moa no betsaka misafidy indrindra izay 70 000 ariary ny saran-dalana. Ho an'ny lalana kosa indray efa maro ireo lalampirenena efa nahitana fanamborana izay efa vita 75 % .Eo ihany koa ireo mbola an-dalam-panamboarana.
NARINDRA
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT