Fifamoivoizana

Gare Routière Maki sy Fasan’ny Karana Nametrahana ivon-toerana vojimaika fitsarana fiarakodia


  • Alarobia 26 Aogositra 2020

Mitombo isa sy mihabetsaka ireo fiara tonga manao fitsirihana eto Antananarivo amin’izao fiverenan’ny fitateram-bahoaka hiasa izao.

 

Nandray fepetra ny foibe fitsarana fiarakodia hialana amin’ny fitohanana ka nametraka fitsarana fiarakodia vonjimaika miisa roa dia eny amin’ny Gare Routière Maki Andohatapenaka sy eny amin’ny tobim-piantsonan’ny taksiborosy Fasan’ny Karana. Amperinasa nanomboka omaly ireo ary hitohy mandritra ity herinandro ity. Afaka manatona eny ny fiara rahetra.Mety hiitatra ny hetsika arakaraka ny zava-misy. Hisokatra amin’ny 07 ora maraina ka hamin’ny 04 ora tolakandro sy hiasa sabotsy amin’ny 07ora maraina hamin’ny 12 ora atoandro ihany koa ireo ivon-toerana fitsarana fiarakodia manerana ny Nosy manomboka ny sabotsy 29 aogositra 2020. Miankina amin’ny zava-misy ny fihitarany.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT