Fifamoivoizana

Gare Routière MAKI Hiasa amin’ny fiandohan’ny taona 2018


  • Sabotsy 16 Desambra 2017

Notokanana tamim-pomba ofisialy omaly ny asa fanamboarana ny toby fiantsonana vaovaon’ny taksibrosy etsy Andohatapenaka nantsoina hoe Gare routière MAKI.

Nandritra ny sivy volana no nanatanterahana ny asa vokatry ny fiaraha-miasan’ny fitondram-panjakana sy ny tobim-pamatsian-tsolika Total.  Mirefy 2.770 m2 ny fotodrafitrasa, ahitana box miisa 20 sy birao folo. Hitondra tombontsoa lehibe ho an’ireo taksibrosy mampiasa iny lalam-pirenena voalohany sy fahefatra ary fahenina iny ny fahavitan’ity tobim-piantsonana iray vaovao ity. Tena hanara-penitra tokoa mantsy ny fandraisana ireo olona handeha hihazo ny Faritra manomboka amin’ny faran’ny volana janoary na ny volana febroary taona 2018 ho avy io,  fotoana hanombohana ny fampiasana azy. Tsy voatery handeha handany fotoana eny Andohatapenaka intsony ny mpandeha iray fa afaka mamandrika toerana en ligne. Azon’izy ireo alefa amin’ny M Vola ihany koa ny saran-dalany. Tsy hifampitadiavana toy ny teo aloha  intsony koa  ny koperativa sy ny fiara mbola misy toerana malalaka fa avy hatrany dia hita eny amin’ny tabilao. Hafaliana ny an’ireo mpitatitra tafiditra hahazo ity toby fiantsonana vaovao ity. Nanambara kosa ireo lehiben’ny koperativa sasany fa tokony hampiarahana amin’ny fifindran’ireo etsy amin’ny Fasan’ny Karana ho any amin’ny toby fiantsonana vaovao Ambohimanambola izany mba tsy hisian’ny mizana tsindrian’ila. Tonga nitokana ny fotodrafitrasa teny an-toerana niampy ny tobim-pivarotan-tsoliky ny Total, omaly, ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny praiminisitra lehiben’ny governemanta.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT