Fifamoivoizana

Gare routière MAKI-Andohatapenaka Niboridana ilay vehivavy tsy navela nivarotra


  • Alatsinainy 26 Febroary 2018

Tsy azo hivarotana mihitsy etsy amin’ny tobim-piantsonana vaovao Andohatapenaka.

 Renim-pianakaviana iray mpivarotra caca pigeon mandehandeha no nihetsika hadalana tampoka rehefa tsy navelan’ireo mpiambina niditra tao amin’ity tobim-piantsonana ity. Nalany avokoa ny akanjony  iray manontolo hatramin’ny takon-kenatra ka vaky nandositra hatramin’ny mpiambina. Tsy nijanona teo anefa ny tantara fa mbola notorahany tamin’ny vato ihany koa ireo fiara nivoaka tao amin’ity tobim-piantsonana ity saingy tsy nisy simba.  Raha araka ny fanazavan’ireo namany moa dia tsy dia salama saina loatra izy io. Efa hatreny amin’ny Fasan’ny Karana izy no nanao izao fihetsika izao izay karazana fanehoan-kevitra entina hamborahana ny tsy zakany ihany. Rehefa leo ny nijery azy niboridana nanangon’olona sy nivazavaza moa ireo mpiambina tetsy Andohatapenaka dia namela azy niditra tao amin’ilay tobim-piantsonana  ihany ka niakanjo moramora izy avy eo.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT