Fifamoivoizana

Gare routière Fisandratana « Tsy mbola mahafeno ny fepetra », hoy ny ATT


  • Talata 14 Janoary 2020

Tsy tontosa indray ny famindrana ireo fiara mpitatitra na taksibrosy miantsona eny amin’ ny Fasan’ny karana ho eny Ambohimanambola.

 

 

 

Tsy mbola voapetraka araka ny tokony ho izy ireo pitsopitsony ara-teknika isan-karazany na ny lafiny fidiovana, ara-pahasalamana, toerana asiana ireo fiara mpitatitra satria maro be izy ireo no miantsona ao amin’ny Fasan’ny karana ka tsy maintsy misy lamina maty paika hampidirana azy ireo eny Ambohimanambola, hoy ny sampandraharaha misahana ny fitaterana (ATT). Samy miandry ny hamindrana an’ireo fiara indray ny rehetra. Maro aloha ireo fanehoan-kevitra mahakasika azy io. Adihevitra foana moa ny halaviran’ny « gare routière » sy ny fivezivezena eny an-toerana. Andrasana, araka izany, ny fandaminana ataon’ireo tompon’andraikitra isan-tokony.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT