Fifamoivoizana

Gare routière « Fisandratana » Dodona hifindra ny 80%-n’ny mpamily etsy Fasankarana


  • Alakamisy 30 Aogositra 2018

Ny alatsinainy 27 aogositra teo no tokony ho nifindra teny amin’ilay toby fiantsonana vaovao eny Ambohimanambola ambara hoe : Gare routière « Fisandratana » ireo mpitatitra mihazo ny lalam-pirenena fahafito etsy amin’ny Fasankarana.

Tamin’io andro io mantsy no tokony notokanana tamim-pomba ôfisialy io foto-drafitrasa goavana io izay tena efa tsy andrin’ny ankamaroan’ireo mpamily sy tompona fiara ny hampiasana azy. Ny 80%-n’izy ireo mantsy no efa vonona ny hifindra raha araka ny fantatra noho ny tsy fanarahan-dalana sy gaboraraka diso tafahoatra iainany isan’andro etsy amin’ny Fasankarana. Anisan’ny tena mampitaraina azy ireo mafy ny fihenan’ny tahan’ny famenoana fiara isan’andro noho ny fanjakazakazana hataon’ireo taxi-brousse mangalatra mameno ivelan’ny tobim-piantsonana miara-miasa amin’ireo mpanera. Sarotra hoy ny solontenan’izy ireo ny fampiharana ny lalàna raha mbola ety amin’ny Fasankarana. Misy mahazo fandrahonana ho faty mihitsy mantsy izay mikasa hanova hiroso mankany amin’ny fampandrosoana ka izay no tena mahamaika azy ireo hifindra. Nomarihin’izy 80% ireo moa fa tsy ny mpamily sy ny tompona fiara loatra no tena mikasana ilay fifindrana eny Ambohimanambola fa ireo mpivarotra tsy ara-dalana mameno ity tobim-piantsonana ity sy ireo mpanera marobe mivelona eny an-toerana isan’andro.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT