Fifamoivoizana

Gare routière Ambohimanambola Lavitra loatra sady tery,hoy ireo mpitatitra


  • Zoma 27 Jolay 2018

Noho ny halaviran-toerana sy ny hateren’ny foto-drafitrasa vaovao eny Ambohimanambola no tena tsy mampazoto ireo mpitatitra etsy amin’ny Fasan’ny Karana hifindra eny, raha araka ny fanadihadiana natao.

 

 Manampy trotraka izany hoy izy ireo ny tahotra ny amin’ny mety hiparitahan’ny loto amin’ny ranon’i Mandroseza izay mamatsy ny mponin’Antananarivo ka hiteraka aretina ho an’ny maro. Ho an’ireo tena tompona fiara sasany  indray anefa dia tsy manana olana izy ireo na hafindra aiza na hafinda aiza fa ireo mpanera sy mpivarotra no tena miady mafy ny tsy hifindran’ireo mpitatitra eny Ambohimanambola. Very fihinanana mantsy izy ireo raha araka ny fanadihadiana natao hatrany  satria tsy misy toerana ho an’ny mpivarotra sy ny mpanera eny Ambohimanambola. Amin’ny ankapobeny anefa dia efa nanambara ry zareo teo anivon’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety fa asiana navety hampitohy ny renivohitra amin’ireo toby fiantsonana vaovao ireo atsy ho atsy ialana amin’ny fahasahiranan’ny mpandeha.  Midoika izany fa  mila fivoarana sy fandrosoana ny mponin’Antananarivo fa tsy hijanona foana amin’ny toerana maloto sy gaboraraka toy ny etsy amin’ny Fasan’ny Karana izay tsiahivina  fa miteraka fitohanana isan’andro ihany koa.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT