Fifamoivoizana

Gare Makis Andohatapenaka Handray fiara miisa 196 avy eny Ambodivona


  • Talata 10 Septambra 2019

Manodidina ny 196 eo ny isan’ireo fiara hifindra eny amin’ny tobim-piantsonana Gare Makis Andohatapenaka raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra avy amin’ny kaoperativa mampitohy ny lalam-pirenena faharoa (Tana-Toamasina) sy lalam-pirenena fahadimy (Tana-Fenerive Est) manomboka ny 20 septambra ho avy izao.

 

Tato anatin’ny 15 taona mantsy dia tsy nisy mihitsy ny fanamboarana ny tobim-piantsonana teny Ambodivona, hoy izy ireo ary tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fifamoivoizana eto Madagasikara  izao fifindrana mankeny amin’ny Gare Makis izao. Efa manana fotodrafitrasa mifandraika amin’ny fandraisana ireo fiara ireo ny eny Andohatapenaka, hoy hatrany izy ireo. Na dia misy amin’ireo mpandeha amin’ny lalam-pirenena faharoa sy fahadimy iny aza no manahy amin’ny mety ho fahasahiranana aterak’izay fifindrana izay dia maro ny tombontsoa. Tobim-piantsonana anjakan’ny tsy fandriampahalemana ny eny Ambodivona nandritra ny taona maro. Malaza amin’ny fisian’ny mpanao sinto-mahery sy ny tsy fanajana ireo mpanjifany ihany koa ankoatra ny tsy fahamarinam-potoanan’ireo mpitatitra. Azo antoka fa raha hafindra eny amin’ny Gare Makis Andohatapenaka ireo fiara ireo eto dia hisy amin’izay ny fanarahan-dalàna, hoy izy ireo.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT