Fifamoivoizana

Gara MAKI Andohatapenaka Taxi bousse 6 hiazo ny RN 1 saika naiditra foriera


  • Alatsinainy 14 Septambra 2020

Mbola tena manahirana ny fandaminana eo anivon’ireo tobim-piantsonana maro isan-tsokajiny eto amintsika amin’izao fanombohan’ny fisokafan’ny zotra nasionaly sy rezionaly izao.

 

 

 Ankoatra ny fametrahana ilay fandoavam-bola tokana sy saran-dalana tokana mantsy dia samy manao izany fantany fa mety ihany koa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Ho an’ny tetsy amin’ny tobim-piantsonana Maki Andohatapenaka ohatra dia fiara taxi-brousse niazo ny lalam-pirenena voalohany miisa 6no saika foriera ny Sabotsy teo. Tsy neken’ny CRCO Itasy sy Bongolava mantsy ilay naoty 086 navoakan’ny Ministeran’ny Fitaterana izay nampiharin’izy ireo dia ny tsy fampiakarana saran-dalana sy ny famenoana ny isan’ny mpandeha araka ny licence-n’ilay fiara izany, raha izay ihany koa no kabarin’ny Filoham-pirenena nandritra ny lahanteny nataony farany. Ho an’mny CRCO B Itasy sy Bongolava mantsy dia miakatra ny saran-dalana ary efatra isan’ambaratongany ny mpandeha fa tsy dimy. Tsy navelan’izy ireo nidina tany amin’ny faritra nisy azy araka izany ireo fiara 6 ireo fa nosakanany teny Ambodisaha sy Arivonimamo ary saika hampidiriny foriera mihitsy. Tezitra mafy noho izany ireo tompon’andraikitra tetsy amin’ny tobim-piantsonana Maki Andohatapenaka ka nampiaka-peo. Izahay manara-dalàna indray ve hoy izy ireo no hampidirina foriera fa ireo manao gaboraraka mampiakatra saran-dalana toy ny eny amin’ny tobim-piantsonana hafa tsy jeren’ny fanjakana ? Miantso ny hisian’ny fifampiresahana eo amin’ny CCO foibe sy ny CRCO araka izany ireo mpitatitra. Mahatsiaro ho voaporitra izahay hoy izy ireo noho ny tsy fisian’ny fifandaminana mazava eo amin’ny roa tonta.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT