Tafiditra tanteraka ao anatin'ny vakansy lehibe isika ankehitriny.
Ny volana Aogositra tahaka izao no tena ivon'izany, mampiakatra ny tahan'ireo fiarakodia mivoaka ny Faritra. Afak'omaly Talata 05 Aogositra fotsiny ohatra dia nahatratra 194 isa ireo taxi-brousse nitatitra mpandeha handeha hanao vakansy ho an'ny tobim-piantsonana Maki Andohatapenaka nahitana mpandeha miisa 3600. Ireo niazo an'i Mahajanga no tena maro an'isa tamin'izany izay nahafeno fiara 72 isa. Miisa 58 kosa ireo niazo ny lalam-pirenena faha-6 toy ny miazo an'Ambilobe, Antsiranana...raha miisa 44 ireo niazo ny lalam-pirenena faharoa. Na izany aza anefa dia nomarihin-dRanaivoson Fidy, mpitantana ity tobim-piantsonana ity fa vao nanomboka tamin'ny fiandohan'ny herinandro teo no nampitombo ny isan'ny mpandeha tahaka izao. Mitovitovy tamin'ny taon-dasa ihany izany raha ny nambarany hatrany. Hentitra araka izany ny tenany sy ireo tompon'andraikitra miaraka aminy amin'ny fampanarahan-dalana ny mpamily toy ny fanajana ny mpamily miisa roa ho an'ny toerana somary lavitra toa an'i Mahajanga, ny fanajana ny haavon'ny entana entin'ny fiara, ary ny fanaraha-maso ny mpamily sy ny fiara mialohan'ny hiaingany. Ho fisorohana ny loza mety hitranga eny an-dalana sy ny ain'ny mpandeha avokoa no anton'izany rehetra izany.
Pati
Légende : Ranaivoson Fidy, mpitantana ny tobim-piantsonan'ny taxi-brousse Maki Andohatapenaka
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.