Fifamoivoizana

Gara MAKI Andohatapenaka Fanitsiana saran-dalana no atao


  • Alakamisy 20 Jolay 2023

Lasa miteraka resabe eny anivon’ny fiaraha-monina mihitsy ny fiakaran’ny saran-dalana mivoaka any amin’ny faritra indrindra amin’izao fotoam-pialan-tsasatra lehibe izao.

Nitondra fanazavana mifandraika amin’izany ireo mpamily eo anivon’ny tobim-piantsonana Gara Maki Andohatapenaka omaly ka nambaran’izy ireo fa tsy fampiakarana saran-dalana no nataony fa fanitsiana. Nanomboka ny 15 Jolay lasa teo io fampiakarana saran-dalana io ho an’ny lalam-pirenena faharoa sy fahadimy ary tsy hifarana raha tsy amin’ny faran’ny volana Septambra. Fotoana maha betsaka ny mpandeha mantsy ao anatin’ireo fotoana ireo hoy izy ireo hany ka miasa mafy ny fiara sy ny mpamily. Hiverina amin’ny laoniny io saran-dalana io araka ny fanazavan’izy ireo hatrany amin’ny fiandohan’ny volana Oktobra ho avy izao. Hiakatra indray izany hoy hatrany izy ireo manomboka ny datin’ny 15 desambra ka hatramin’ny 17 janoary izay tafiditra ao anatin’ny fialan-tsasatry ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona. Nisy moa omaly ny fihaonana notanterahin’izy ireo niaraka tamin’ny Ministeran’ny fitaterana mba hahafahana misoroka ny lozam-pifamoivoizana eny am-pandehanana. Tsy maintsy misy mpamily roa araka izany ny fiara iray hivoaka ny faritra ary tsy maintsy manana fotoana hakana aina ihany koa.
Pati
Legende : Midangana ny saran-dalana ety amin’ny tobim-piantsonana Maki Andohatapenaka ety
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT