Fifamoivoizana

Gaboraraky ny sarety entin-tanana Manakorontana sy manimba fananan’olona


  • Alatsinainy 20 Mey 2019

Mila fandinihana manokana ny sarety entin-tanana mifamezivezy eto Antananarivo Renivohitra. Tena mibaribary ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, fanimbana fananan’olona, fanelingelenana miteraka fitohanana,…

 

Mitarika fimenomenonana ho an’ny besinimaro, saingy matetika vava be na teny ratsy aza no setriny. Fahita eny an-dalambe eny ny sarety feno enta-mavesatra misavovona zara raha misy olona roa na telo mitondra azy, hany ka tsy tana intsony fa mifatratra any amina fiaran’olona, ohatra, indrindra rehefa midim-pidinana izay. Dia mbola vitan’ny “lefero izahay fa madinika” ve kanefa ny fananan’olona simba ? Ny tena olana amin’ity sehatra ity dia sady tsy misy fiantohana na “assurance” no tsy misy taratasy ny sarety ary tsy manana ny hoenti-manana hanefana ny simba ny mpitarika sarety ka miala maina amin’ny ankapobeny rehefa mifandona aminy. Tsy azon’ny tompon’andraikitra mahefa handraisana fepetra sy fandaminana manokana ara-dalàna mihitsy ve izy io fa tazanim-potsiny ? Ireny natao nipoapoaka tamin’ny haino aman-jery ireny ny filazana fa hampandoavina onitra 100 000 hatramin’ny 1000 000Ar ny taksibe tsy manaja fifamoivoizana, ka maninona no tsy afaka handray fepetra amin’ireny sarety sy posy ireny hisorohana ny gaboraraka ? Tsy tokony ho fialokalofana amin’ny tsy fanarahan-dalàna sy fanimbana fananan’olona ny fari-piainana ambany na ambony fa natao ho an’ny rehetra ny lalàna.

Toky R    

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT