Fifamoivoizana

Gaboraraka fiasa loatra Mila fanofanana sy fampianarana ireo taksiben’Antananarivo


  • Alatsinainy 12 Jona 2023

Nanodidina ny tamin’ny 1 ora folakandron’ny sabotsy teo dia nitrangana lozam-piarakodia nahatsiravina tetsy amin’ny lalana mampifandray an’Ankadimbahoaka sy Soanierana iny manoloana ny orinasa Batpro.

Inona moa no fiatombohan’ny loza fa dia nifanenjika avy any Ankadimbahoaka avy any ny Taksibe roa, voalaza fa nanana olana teo amin’ny lafiny familiana anefa ny fiara iray ka avy hatrany dia nandika zaridaina sy ny nifaoka moto scooter miisa roa teo amin’ny fefin’ny Batpro na Descour teo aloha etsy Soanierana. Moto hihazo an’Ankadimbahoaka ireto voadoana ireto. Olona mpandeha an-tongotra miisa 2 no naratra mafy vokatry ny fifandonana ary efa nentina tany amin’ny hopitaly, minitra vitsy taorian’ny nitrangan’ny loza.Mbola teny amin’ny manodidina teny ihany fa ny sabotsy alina kosa, taksibe ihany no nifoaka fiara karetsaka sy moto teny akaikin’ny tetezan’i Namontana, mazava ho azy fa nisy ny fahasimbana sy fahapotehina.Resevera mamo indray no voatondro ho nitondra ny fiara ka nitrifana ; nambara fa hoe tapaka « frein » ka nifatratra tany amin’ny fiara sy moto an’olona vao tafajanona.
GABORARAKA LOATRA
Soa ihany aloha fa tsy nisy ny aina nafoy tamin’ireo loza roa nitranga ireto saingy hita kosa fa miroso amin’ny gaboraraka ity fitateram-bahoaka eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina ity ; tahaka ny hoe tena ambonin’ny lalàna ny taksibe sasany ka tsy te hahalala ny hafa fa ny azy ireo ihany, rehefa mba tenenina sy resahina dia be famaliana ireo saofera sy resevera hoe « mitady vola izahay », « fa ianareo angaha no hameno ny versement anay » sy ny teny an’avona isan-karazany, misy miaraka amin’ny teny ratsy aza. Fa ny tena olana iray ihany koa dia maro ny taksibe no mpitandro filaminana no tompony hany ka sahisahy maty ireo mpamily sy resevera ary tena mamaly polisy mihitsy eny an’arabe eny. Adinon’izy ireo fa asam-bahoaka no atao ary misy lalàna sy fepetra ny fanaovana an’io fa tsy hoe izay tian’ny tompon’ny fiara sy ny mpamily no hiaretan’ny mpanjifa sy ny mpandeha, na ihany koa ny olona hafa mampiasa ny lalana. Ilaina ny fanofanana sy fampianarana tahaka ny efa natao tany aloha satria tsapa fa maro amin’ireo mpamily sy resevera no tsy mahalala akory ny lalàna mifehy ny asa ataony. Mety azo heverina ihany koa ny fanitsiana ny lalàna mba hametrahana sazy henjana kokoa ho an’ireo mafy loha sy tsy mety atoro intsony.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT