Fifamoivoizana

Gaboraraka eto Iarivo sy ny manodidina Midina eny an-dalambe hatramin’ny omby


  • Alarobia 17 Jolay 2019

Miditra an-tsehatra eny amin’ny arabe amin’ny andro atoandro amin’ny 11 ora sy sasany ihany koa ny ombin-tsarety eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina.

 

Tsy handroso mihitsy isika raha ohatr’izao foana. Tena mila fanabeazana be ny fampandrosoana ny Malagasy.  Efa napetraka ny lalàna momba ny sarety entin-tanana fa ny eo ihany no eo. Ny resaka tsena sy fivarotana amoron-dàlana moa, dia tena lasa resaky ny moana sy ny marenina ny an’ny mpitantana sy ny entina satria tsy te hahalala lamina sy lalàna izany intsony ny mpivarotra amoron-dalana. Ny olom-pirenena rahateo moa manjifa eny amin’ireny, ka samy tsy manara-dalàna, hany ka mahazo vahana ny gaboraraka. Rehefa manana finiavana hiantsena any amin’ny ara-dalàna ny olona foana ho azy io. Tsy fantatry ny olona akory hoe tsy mety ny ataony, izy ihany no fantany. Samy maka ho azy ny Malagasy dia izay no mahasarotra an'ilay hoe miara-mientana. Efa mba navotan'ny Barea aloha iny fa asa izay ho tohiny.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT