Fifamoivoizana

Fotodrafitrasa nilaozan’ny toetrandro Hisy paikady vaovao hapetraka


  • Alakamisy 28 Septambra 2017

Efa tena lany andro tanteraka ny drafitra fampandrosoana ny tanàn-dehibe misy eto amintsika, raha araka ny fanazavana azo omaly.

 

Drafitra fampandrosoana tamin’ny taona 1993 mantsy no mbola hampiasaintsika hatramin’izao nefa efa nitombo avo roa heny ny isan’ny mponina. Vokany, tsy maintsy mitady vahaolana ny minisiteran’ny fanajariana ny tany niaraka tamin’ireo ben’ny tanàna ivelan’Antananarivo Renivohitra rehetra omaly nanatontosa atrikasa nahafahana nanangona ny hevitry ny tsirairay. Ny tanjona  raha ny fanazavan-dRabe Harimanana, tompon’andraikitra misahana ny drafitra fampandrosoana ny tanàn-dehibe eo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany dia tsy hisy intsony ny fifanomezan-tsiny. Hisy kosa ny asa fanamboarana sy fanajariana tsy maintsy hatao satria hevitra efa nifanekena. Kaominina 68 no voakasik’izany eto Madagasikara ao anatin’ilay tetikasa Antananarivo, Toamasina, Madagasikara, ( TATOM) vatsian’ny JICA vola.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT