Fifamoivoizana

Fort Dauphin Fiaramanidina kely iray nisy olana teny am-panidinana


  • Talata 31 Janoary 2023

Fiaramanidina kely iray niainga tao Fort Dauphin omaly 30 janoary tamin’ny 7ora30 maraina indray no niharan-doza.

Saika hoentina hatao fitsirihana ara-teknika (revision technique) aty Antananarivo izy io, izay fiaramanidina marika MX-T7 an’ny Kaompania Sifor, mitondra ny laharana 5R-MIV. “Rehefa nanidina 68 km dia nisy menaka nivoaka tamin'ny motera ary niparitaka tamin'ny fitaratra ka voatery nidina an-tery tao Itapera, tanàna kely akaikin'ny Seranan’i Ste Luce, manakaiky ny lalam-pirenena RN12A. Olona roa no tao anatiny, mpanamory avokoa, ary tsy nisy ny maty na ny naratra”, araka ny fanazavan’ny Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny AVC (Aviation Civile de Madagascar) jeneraly Rabetokotany tamin’ny haino aman-jery omaly. Vao ny 23 janoary lasa teo no nisy ilay lozam-piaramanidina nahatsiravina nahafatesana mpanamory vao 25 taona, ary nisy trangana loza indray izany omaly, fa ny zava-dehibe dia tsy nisy ny aina nafoy sy ny fahapotehana be.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT