Fifamoivoizana

Fokontany Ambodiraotra Antsakaviro Vita ilay lalana nampitaraina ny mponina nandritra ny 20 taona


  • Alarobia 15 Febroary 2023

Ela ny ela fa vita ihany ilay lalana efa nampitaraina ny mponina tetsy amin’ny Fokontany Ambodiraotra Antsakaviro, ao anatin’ny Boriborintany fahatelo

Vokatr’ilay famatsiam-bola SIAD taona 2021 no nahafahana nanamboatra azy io raha araka ny fanazavan’ny solombavambahoaka Anyah voafidy tao amin’ity boriborintany iray ity. Mirefy 7 km izy io raha araka ny fantatra. Mamono olona hatrany io lalana io hatramin’izay indrindra fa rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao, antony tsy maintsy nanamboarana azy. Voakasik’izany manokana ireo ankizy mpianatra noho ny fisian’ny hantsana eny amin’iny faritra iny izay voatery norariana vato mihitsy. Raha araka ny fantatra moa dia hojerena ihany koa manomboka eto ireo lakan-drano rehetra tsentsina ao Andravoahangy izay vokatr’ireo fako sy sachet plastika arian’ny olona ka mivangongo etsy sy eroa manampina ny tatatra. Tonga hatrany an-tokantranon’ireo mponina mantsy izany rano maloto izany raha vantany vao avy ny orana ka tsy vitsy ireo voatery mifandra trano mihitsy.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT