Fifamoivoizana

Flyover Anosizato sy Andohatapenaka Mbola tsy mazava hoe rahoviana no hanomboka ny asa


  • Alatsinainy 26 Jolay 2021

Kely sisa dia ho vita sy ho tokanana ny any Ouagadougou, renivohitr’I Burkina Faso, raha ny mikasika ny fananganana itony lalana marolafy sy mifanaingina na antsoina hoe “Flyover” itony no resahana.

 Mipetraka kosa eto amintsika izao ny fanontaniana hoe rahoviana ihany ilay eny Anosizato sy Andohatapenaka fa tena miha tsy zaka hatrany ny fitohanan’ny fifamoivoizana amin’iny ampahan-dalana iny sy izay mifandray aminy rehetra? Faraparan’ny volana jolay 2020 no efa hoe atomboka ny asa kanefa dia mbola samy miandry ny rehetra ankehitriny, herintaona aty aoriana. Hitombona rahateo tokoa ve moa ny ahitana loharanombola hanatontosana fotodrafitrasa goavana toy itony raha toa ka ny hanamboarana lalam-pirenena toy ny RN2 aza nambaran’ny minisitra misahana ny asa vaventy, Hajo Andrianainarivelo, andro vitsy lasa izay fa tsy hananan’ny fanjakana ny vola hanamboarana azy ? Ilay 1,1 miliara dolara nanaovana fety farany teo teny Iavoloha moa efa voafaritra ny tokony ho lalany ka asa na tafiditra ao anatin’izany ity famitana ny “Flyover” ity. Izy iny rahateo, raha ny fanazavan’ny mpahaitoekarena, ny Pr Rakoto Davida Olivaniaina, dia tsy avy hatrany dia any am-paosintsika akory rehefa vita toy ireny ny fifanaovan-tsonia fa mbola misy dingana na hoe “paramètre” arahana ahafany tonga tanteraka ao anaty kitapom-bolam-panjakana Malagasy.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT