Fifamoivoizana

Fivondronamben’ny mpitatitra “Tena marary izahay”


  • Zoma 06 Jolay 2018

Mitaraina ho maharary loatra ireo mpitatitra eto amintsika noho ny tsy fijeren’ny fitondram-panjakana azy. Lohalaharana ny fiakaran’ny vidin-tsolika tsy miato, izay efa mananika ny 4.000 Ar kelikely ny iray litatra amin’ny gazoala.

 Nanambatra ny heriny izy ireo, nahitana ireo kamiao be mpitatitra isan-tsokajiny, ny citerne mpitondra solika, ny fiarakaretsaka, ny taksibe… Nisy ny fihaonana voalohany teo amin’izy ireo omaly, notanterahina teny amin’ny Yandy By-pass. Tanjon’izy ireo ny hahafahana manangana rafitra iray avy eny ifotony hanao ny fitakiana sy handray ny fanapahan-kevitra rehetra mahakasika azy  ireo. Anisany ny fitokonana, ny fampiakarana saran-dalana…Ho an’ireo taksibe eto an-drenivohitra na ny UCTU manokana raha tsiahivina dia eo am-piandrasana ny valin’ny fangatahany momba ilay vola fanampiana 300.000 Ar avy isaky ny taksibe isam-bolana avy amin’ny fitondram-panjakana izy ireo  izay tokony hivoaka mialoha ny 15 jolay ho avy izao.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT