Nitondra fanazavana misimisy kokoa mahakasika ireo fepetra ho an’ny fitaterana ny Minisitry ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetr’andro, Ato Joël Randriamandranto omaly tao amin’ny TVM .
Ho an’ny taksibe dia tsy maintsy mampiasa gel désinfectant, arotava ho an’ireo mpandeha ; « visière » miampy « gilet » sy « badge » ho an’ireo mpamily sy resevera ; Fanaovana « gant » ho an’ireo resevera; Fanaovana « désinfection » ny fiara isan’andro ; tsy mahazo mampiasa "strapontin" ; tsy misy fampiakarana ny saran-dalana ; angatahana hanome saran-dalana tsy misy fameriny ireo mpandeha ; mifarana amin’ny 8 ora alina ny fe-potoana hahafahana miasa. Ho an’ny zotra Nasionaly sy Rezionaly kosa, dia mahazo miditra an’Analamanga ireo olona rehetra tavela any amin’ny Faritra, amin’ny alalan’ny fampiasana fiara tsotra, kanefa tsy mahazo mivoaka intsony. Olona 4 ihany no ao azon'ireo fiara tsotra entina (olona 2 eo aloha, 2 hafa aoriana). Mahazo alalana hifamezivezy amin’ny “AXE RN2” ireo fiara tsotra ary voafetra ho olona 4 ihany no ao anaty fiara manomboka ny 29 aogositra. Manomboka ny asabotsy 29 aogositra 2020 ny zotra eto Analamanga mihazo an’i Toamasina I, Toamasina II, Mahanoro, Vatomandry, Brickaville; ary afaka miasa ireo zotra rezionaly mankany Manjakandriana sy Moramanga manomboka. Tsy maintsy mampiasa "manifold" ireo “taxibrousse” tsirairay avy eo ampiaingana, ary mampiseho izany eo am-pahatongavana, mba hahalalana ny mombamomba an’ireo mpandeha rehetra. Amin’ny atoandro ny fiaingana rehetra mba ho fanajana ny « couvre-feu ». Miankina amin'ireo CRCO isaky ny faritra ny fandrindrana/fanokafana na tsia ireo zotra nasionaly/rezionaly mahakasika azy ireo. Ho henjana ny sazy ho an’ireo tsy manaja ireo fepetra rehetra ireo. Isan’izany ny fisintomana ny fahazoan-dalana hahafahan’izy ireo mitatitra olona na ny « licence », hoy ny minisitra.
ZOTRAM-PIARAMANIDINA ANATINY
Hosokafana miandalana ireo sidina anatiny manomboka ny 1 Septambra 2020, mampitohy an’Antananarivo sy Sambava, Antsiranana, Taolagnaro, Toliara, Nosy Be, Toamasina, Mahajanga, Sainte-Marie, Maroantsetra, Morondava ; Tsy maintsy manao test PCR roa andro mialoha ireo mpandeha ary mampiseho ny valin’izany miiba (négatif) eo am-piaingana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.