Fifamoivoizana

Fitsirihana teny amin’ny RN4 Fiara miisa 59 no nogiazana taratasy


  • Talata 20 Septambra 2022

Mitohy ny fitsirihana hataon’ny foibe fitsarana fiarakodia. Tany amin’iny lalam-pirenena fahaefatra iny indray no nanaovan’izy ireo hetsika hampihenana ny loza ateraky ny fifamoivoizana.

Tao amin’ny Kaominina Mahitsy, Ankazobe, Ajomoka, Ampanotokana, Antanetibe Mahazaza, Anjanadoria ary Bemahazaza no nanatontosany izany. Nahatratra 197 isa ireo fiara voasava nandritra izany ka ny 59 tamin’ ireo no voatery nosintonina ny taratasiny, 12 isa kosa noho ny tsy fisiana na fahalanian’ny paikandro fitsirihana ara-teknika dia naiditra am-balam-pamonjana ka miisa 07 ny fiara raha miisa 05 ny bajaj. 46 tamin’ireo no tsy maintsy natao “INAPTES” noho ny tsy fahatomombanana ara-teknika hafa. Ny 06 olana tamin’ny hisatra sy teo amin’ny familiana, ny 23 olana teo amin’ny jiro sy ireo kojakoja hafa mahalavorary ny hazavan’ny fiara, ny 06 olana tamin’ny fampiasana fitaratra matraka tsy nahazahoana alalana, ny iray fiara tsy nahavita ny fandraisana ara-teknika, ny 08 fiara ilàna fanatsarana ny anatiny sy ivelany, ny 04 fiara manana kodiarana efa sola, ny 11 ireo olana hafa toy ny fitondrana olona tsy mifanaraka amin’ny voalaza ao anatin’ny taratasin’ny fiara...
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny hetsika fisavana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT