Fifamoivoizana

Fitsarana ny raharaha “ANNIE SY ARNAUD” Hipoitra ve ny marina ?


  • Alatsinainy 25 Septambra 2017

Efa ela niandrasana ny fitsarana ny raharaha fakana an-keriny an’i “Annie sy Arnaud” ny maro. Raha ny fandaminana teo anivon’ny fitsarana ady heloka be vava ny fitsarana ambonin’Antananarivo sy ireo taratasy voarain’ireo “vavolombelona” sy ireo “voarohirohy”,

dia hanomboka anio alatsinainy ny fitsarana ka haharitra herinandro noho ny fahamaroan’ireo olona hohenoina. Olona maro be no nosamborina sy nalaina am-bavany. Maro tamin’izy ireo no tsy nisy nifandraisany tamin’ilay fakana an-keriny fa noho ny tondro molotra fotsiny ka lasa niteraka resabe sy naharatsy endrika ireo zandarin’ny GSIS nalefa tany Toamasina niandraikitra ny fisamborana. Ny hetsika sy ny fikarohana nataon’ny polisy no naha votsotra an’i Arnaud sy nahatrarana an‘ireo basy sy bala maro be taty aoriana, ary nahasamborana ireo tena andian-jiolahy mifaningotra tamin’ny raharaha toy ilay mpitsara niasa tao Toamasina teo aloha, raha novonoin’ireo mpaka an-keriny azy kosa i Annie taorian’ny nahatrarana ilay trano voalohany sy ny fiara nihazonana  azy mianadahy tao Andranomadio Toamasina. Andrasana izay hambaran’ny fitsarana. Efa tamin’ny 2015 ity raharaha ity ka heverina fa efa mafonja ny antontan-taratasy eo am-pelatanan’ny mpanao fanadihadiana. Efa fantatra amin’ny ankapobeny ireo jiolahy irakiraka fa ny atidoha nikotrika sy ny antony marina no mahaliana ny hamantatra azy. Betsaka mantsy ny resaka mandeha momba ity afera iray ity. Anisan’ny nanintona ny sain’ny mpanara-baovao ny nisiana mpitsara nosamborina avy hatrany fa hoe tafiditra ao anatin’ny raharaha. Eo ihany koa ny fahafantarana fa mpandraharaha mpanefoefo manana ny maha izy azy ao Toamasina ny Dadan’i Arnaud.

 

Rakoutou

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT