Fifamoivoizana

Fitsarana fiarakodia Mitombo isa ny « Plaque châssis » hosoka


  • Alakamisy 25 Jolay 2019

Ankoatran’ny taratasy hosoka maro efa saron’ny teo anivon’ny Foibe Fitsarana fiarakodia (DGSR) dia tsikaritra indray tato ato ny fisian’ny takelaby na ny plaque châssis hosoka.

Nanambara ny teo anivon’ny DGSR fa taorian’ny fisavana sy fanamarinana natao dia hita ho tsy mitovy tamin’ny ara-dalàna ny takelaby tratra tamina fiara iray. Nisy ny tambajotra mpanao hosoka tratra araka izany ary efa nogiazana eny amin’ny zandarimariam-pirenena ny fiara. Nanamafy sy nampitandrina ny foibe fitsarana fiarakodia fa izy irery ihany no manana alalana manolo sy afaka manao ny « Duplicata » ny « plaque –chassis » raha toa ka misy fahaverezany sy fahasimbany. Hisy ihany koa ny fanatanterahana fitsirihana ara-teknika ( Visite Technique Spéciale) amin’izao fialan-tsasatra sy ankatoky ny fahatongavan’ny Papa Ray Masina izao. Araka izany dia hisokatra ny ivon-toerana fitsarana fiarakodia rehetra ny 03 hatramin’ny 24 aogositra manomboka amin’ny 7 ora hatramin’ny 3 ora tolakandro.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT