Fifamoivoizana

Fitsapana ny tahan’alikaola 11 tamin’ireo 303 nosavaina no nahitana taha ambony


  • Alarobia 31 Mey 2023

Nidina tampoka teny amin'ny lalam-pirenena fahafito ny zandary avy ao amin'ny borigadin’Andoharanofotsy nanao

fitsirihana ireo mpamily nandray alikaola nandritra ny fetin’ny Pentekosta sy ny Alatsinain’ny Pentekosa teo. Teo amin'ny PK 12+500 Galana Iavoloha no nanatanterahan’izy ireo izany ka mpamily miisa 303 no voasava. Ny 219 tamin’ireo mpamily fiara raha mpitondra moto ny 84 isa ambiny. Ny 11 tamin'izy ireo no nahitana tahan'alikaola betsaka loatra ka mpitondra moto ny 7.Tsy navela nihetsika intsony moa ny fiara sy ny moto nentin’izy ireo vokatr’izany no sady nomena fampitandremana ihany koa ireo mpamily. Izany hetsika izany moa dia tafiditra ao anatin’ny fepetra noraisin’ny zandary nentina nampihenana ny lozam-pifamoivoizana nandritry ny faran’ny herinandro teo.

Pati
Legende : Nafotaka ny fisavana ireo kodiaran-droa teto

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT