Fifamoivoizana

Fitroafana Talatamaty Noraisina ara-teknika ilay lalana nasiam-panamboarana


  • Alatsinainy 05 Septambra 2022

Vita soamantsara ny lalana ao amin’ny VC1 Fokontany Fitroafana, kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.

Ny faran’ny herinandro teo no noraisina ara-teknika izany, notarihin’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic sy ireo ekipa nandray an-tanana ny asa fanamboaran-dalana. Raha tsiahivina kely dia roa volana latsaka izay no nanamboarana ity lalana ity izay natao rarivato. Nandratra olona sy namotaka hatrany izy io isaky ny fotoam-pahavaratra teo aloha hany ka tsy vitsy ireo nitondra takaitra indrindra fa ireo ankizy madinika sy ny zokiolona. Nanentana ireo mponina ao amin’ity Fokontany ity araka izany ny Ben’ny tanana mba hikajy sy hanaja ny foto-drafitrasa iombonana tahaka izao ho tombontsoan’ny rehetra. Ny tsy mahay manaja sy ny tsy manana mantsy raha ny nambarany dia mitovy ihany. Hitohy any amin’ny Fokontany hafa indray moa ny asa fanamboarana izay marihina fa lalana kaominaly avokoa. Toraka izany koa ny asa fanamboarana sy fanitarana ny tsena raha tsy latsa-danja amin’izany ny fanavaozana ny biraon’ny kaominina.
Pati
Legende : Nandritra ny fandraisana ara-teknika ny lalana tamin’ny Sabotsy teo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT