Fifamoivoizana

Fitokonan’ireo “transitaires” sy mpitatitra Nikoropaka ny fanjakana namaha ny olana


  • Alakamisy 28 Desambra 2017

Niezaka nitady vahaolana maika araka ny baiko midina ny Prefen’i Toamasina sy ny SPAT ary ny MICTSL, nandritra ny fivoriana niarahana tamin’ny solontenan’ireo mpitokona, natao tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina omaly.

 Nisy ny fifanarahana savaranonando taorian’ny dinika naharitra adim-pamantaranandro efatra. Hanankery iray volana manomboka ny volana janoary 2018 izany ary tsy maintsy hotanterahina. Voalaza ao na tsy nahafa-po ireto mpitokona aza fa ho fitsinjovany ny tombontsoam-bahoaka hiatrika fety, dia milaza fa tsy maintsy hatsangana haingana ny komity misahana ny fanaraha-maso ny olana eo anivon’ny MICTSL izay orinasa mpikirakira ireo kaontenera ao amin’ny seranana sy ny mpanjifany, fanafainganana ny fotoana famoahana kaontenera, ny fanofana fitaovana fibatana entana hanampy ireo sisa mandeha eo anivon’ny MICTSL rehefa simba ny ankamaroany. Vokatry fitokonana nanomboka ny talata teo ity dia omaly avokoa vao afaka niala an’i Toamasina ireo sambo madinika manao zotra mianavaratra sy ireo sambo goavana miantsona teo amin’ny seranan-tsambo, satria tsy tafiditra nanatitra ny solika ilain’ireo sambo ireo ny mpitatitra izany, sy tafiditra ihany koa ireo kamiao hanatitra entana tokony hoentin’izy ireo. Milaza ny hiverina hitokona ireo mpitatitra sy « Transitaires » raha mbola miziriziry ny orinasa MICTSL.

Rakoutou


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT