Fifamoivoizana

Fitohanan’ny fiarakodia lavareny Betsaka ireo orinasa efa mandray fepetra


  • Alakamisy 07 Martsa 2019

Mihamahazo vahana hatrany ny fitohanan’ny fiarakodia eto amintsika. Tsy misy toerana izay tsy ahitana izany intsony, antony mampitaraina fatratra ireo mpiasa sy mpianatra, indrindra ireo miainga avy any amin’ny toerana lavitra toa an’i Itaosy na Ambohitrarahaba.

 Tsy maintsy miala amin’ny 5 ora sy sasany maraina isan’andro raha tsy te ho tara, indrindra fa ho an’ireo mpiasa mamonjy lera. Mba tsy hilatsahan’ny sazy amin’ny fahatarana lava isan’andro mahazo ny mpiasa ary dia betsaka amin’ireo orinasa eto amintsika no efa nandray fepetra. Ho an’ireo Sinoa manana tsenam-barotra, ohatra, dia nahemotr’izy ireo amin’ny 9 ora maraina ny fidirana isan’andro ary mitsahatra amin’ny 5 ora hariva ny mpiasa. Ialana amin’ny fahatarana ateraky ny fitohanana no antony mahatonga izany. Ho an’ny orinasa GS Pro etsy Ambondrona, tantanin-dRamahakotroka Asmine indray dia namboariny araka ny toerana hipetrahan’ny mpiasa ny toerana hanaovany asa fiambenana. Ho azy ireo mantsy dia tsy mety loatra ny fahatarana satria aina sy fananan’olona no arovana sady miandry ny mpandimby azy ihany koa ireo mpiambina niasa nandritra ny 24 ora vao afaka mandeha mamonjy fodiana. Mivaha ho azy ny olana ateraky ny fitohanana ho azy ireo sady tsy voatery handeha taksibe koa ny mpiasa fa dia an-tongotra dia vita.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT