FITOHANANA MIAZO AN’ ITAOSY

Tsy voavahan’ireo Polisy vao miana-draharaha ?


  • Zoma 25 Aprily 2025

Saika ahenoana taraina foana ny mponin’Itaosy rehefa andro Zoma tahaka izao na koa

ny Alatsinainy noho ny fitohanana diso tafahoatra. Raha araka ny feo mandeha eny rehetra eny mantsy dia polisy vao miana-draharaha no mandamina ny fifamoivoizana eny Ampasika sy eny amin’ny sampanana miazo ny famonoan’omby amin’ireo andro ireo ka tsy mbola haindry zareo izay tena tokony hataony. Maharitra ora iray sy 15 minitra vao tafavoaka eo Ampasika ny taxibe iray miala eny Andranonahoatra Itaosy. Tsy misy intsony ilay antsoina hoe : double fa dia miandry ny rariny ny mpampiasa lalana indrindra raha vantany vao lasa ilay tompon’andraiki-panjakana iray mipetraka eny amin’iny faritra iny. Toraka izany koa raha vantany vao avy ny orana. Maharitra ora iray raha kely ny fandaminana eny ambony tetezana fotsiny izay efa tena mampiteny ny moana mihitsy. Voakasik’izany avokoa ireo fiara mivoaka sy miditra izay samy tsy misy te ho tara ihany koa fa samy mampiasa ny fahaizany. Tsy lazaina intsony ny moto sy ny bisikileta, ny posy sy ny sarety….Tsiahivina moa fa efa zary fiainana mihitsy ny fitohanana ho an’iny faritra Itaosy iny saingy ny fotoana hiasan’ireo polisy voalaza vao miana-draharaha ireo no tena mampitaraina ny maro. Antso avo araka izany no hatao amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Efa tena sahirana amin’ny fitadiavana ny haninko hanina isan’andro mantsy ny rehetra nefa mbola olanabe ihany koa ny fitohanana mivoaka sy miditra ny tanana.
Pati
Legende : Mangidy hatrany ny fitohanana miazo ny tananan’Itaosy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT