Fifamoivoizana

Fitohanana etsy Anosizato Tara daholo vao tafody ny olona, vehivavy iray voaendaka


  • Alatsinainy 04 Desambra 2017

Miverina indray ny fitohanana etsy amin’ny rond point Anosizato hatramin’ny niavian’ny ranon’orana.

Mahatratra roa ora no hanalana ny lalana 1 km sy 30 raha vetivety indrindra, ary mahatratra ora telo indraindray. Mahatsiaro sahirana ireo mpiasa sy mpianatra mandeha mamonjy fodiana, indrindra fa amin’ny hariva. Vehivavy iray avy nikarama nitondra gony nisy entana tara fodiana ny faran’ny herinandro teo no fantatra fa nisy nanendaka teny Alakamisy Fenoarivo Atsimondrano tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Diso  tratra alina loatra noho ny fitohanana teny Anosizato ity vehivavy ity ka tsy nahita taksibe nodiana intsony. Telolahy ireo nanendaka azy tamin’izany, niery tamina lalana kely somary miditra elakela-pasana. Nampandohalehany io vehivavy io ary dia nalainy avokoa ny vola rehetra tany aminy izay nanodidina ny 37.000 Ar teo ho eo. Toraka izany koa ny vary sy hena kely nentiny saika hahandroany ho an’ireo ankohonany tamin’io alina io ihany. Na izany aza anefa dia tsy novonoin’ireo mpanendaka na naolany ity renim-pianakaviana iray ity. Andrasana izay fepetra hentitra raisin’ny fitondram-panjakana manoloana ity fitohanana goavana eny Anosizato ity. Tratra alina avokoa mantsy ny olona vao mody nefa misy amin’ireo taksibe no amin’ny 6 ora hariva dia efa tsy misy intsony.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT