Fitohanana eto an-drenivohitra Tsy vita ny 2

3-n’ny toro tokony hataony ny taxi-be iray


  • Alatsinainy 18 Martsa 2019

Tsy hisy vahaolana intsony ny fitohanana eto an-drenivohitra hoy Randriambao Jacky, mpikambana ao amin’ny filan-kevitry ny koperativa Fitsema Tselatra raha toa ka tsy mandray ny andraikiny ny fitondram-panjakana.

 

 

 Betsaka ireo mitondra faisana vokatr’izany raha ny nambarany.  Lohalaharana amin’ireny ny mpanjifa, indrindra fa ireo mpianatra mandeha mamonjy sekoly isa-maraina izay efa nanaovan’izy ireo fanentanana manokana ny amin’ny tokony hifohazan’izy ireny maraina isan’andro. Fa ankoatra izay hoy  Randriambao Jacky dia tena mijaly koa ny mpitatitra. Mahatratra  ora iray mantsy izy ireo no mijanona amina toerana iray rehefa tena mamely ny fitohanana hany ka toro 2/3 –n’ny tokony hataon’ny fiara iray no very mandritra ny tontolo andro. Tsy afa-manoatra anefa izahay hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity fa tsy maintsy miharitra. Na izany aza anefa hoy izy rehefa tena mikatso ny fiara dia miresaka amin’ny mpitandro ny filaminana izy ireo ka manova lalana kely amin’ny am-pahany fa tsy izy iray manontolo akory. Mikasika ny lalana etsy Besarety manokana dia notsindriany fa tsy mampiasa io lalana io intsony ny koperativa tselatra raha vantany  vao ny orana satria maro ireo fiaran’izy ireo efa maty  tao.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT