FITOHANANA ENY ANOSIZATO

Nametrahana herse ny moto sy bisikileta nanomboka omaly


  • Talata 25 Jona 2024

Mihamafy hatrany ny fitohanana eny Anosizato Andrefana eny.

Tsy hanavahana ora sy andro intsony izany fa saika amin’ny fotoana rehetra mihitsy ka mampitaraina ny maro. Mametraka paikady hahafahana miady amin’izany ny zandarimariam-pirenena eny Fenoarivo. Lohalaharana amin’ireny ny fanaovana double na miakatra na midina saingy tsy maintsy mifandimby kosa. Mbola misy ihany anefa ireo moto sy bisikileta ary fiara tsy mahatanty miandry ka manohitra ny lamina hapetrak’ireo mpitandro ny filaminana. Mbola mandeha ihany ny sasany na dia efa feno aza arabe, tranga izay ahiana hitera-doza. Nisy araka izany ny fametrahana herse nanomboka omaly Alatsinainy 24 Jona teny Anosizato Andrefana. Hitazonana ireo fiara sy moto ary bisikileta tsy hihoatra ny faritra hijanony no tanjona arahin’ny fampianarana azy ireo mba hanaja ny lamina hapetraky ny mpitandro ny filaminana. Betsaka sahady ireo efa nimenomenona mafy noho izany omaly, andro voalohany.
Pati
Legende : Mipoaka avy hatrany ny kodiaran’ireo moto sy ny bisikileta raha vao manohitra ity herse ity ka mikasa handeha hatrany !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT