Fifamoivoizana

Fitohanana eny Anosizato Hiezaka hanamaivana izany ireo mpanamboatra lalana sy ny polisy


  • Alatsinainy 11 Febroary 2019

Tena henjana ny fitohanana etsy amin’ny rond point Anosizato nanomboka ny herinandro teo.

 

 

 

 Maharitra ora iray mihitsy ny fotoana lany ao anaty fiara, indrindra manomboka amin’ny 05 ora hariva iny.  Raha araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana dia noho ilay asa fanamboaran-dalana ao anatin’ilay lot 4 miainga eny Anosy mihazo an’i Fenoarivo hiantsorohan’ilay orinasa Sinoa iray no antony. Efa miezaka ny manamaivana izany izy ireo miaraka amin’ny polisy kaominaly sy monisipaly.  Tsy voaresaka tao anatin’ity asa fanamboaran-dalana lot 4 ity ny fikitihana ny rond point etsy Anosizato ity. Toraka izany koa ny tetezan’Anosizato sy Ampitatafika. Fanirian’ilay orinasa anefa ny hahatonga iny arabe mihazo ny lalam-pirenena voalohany iny ho azona fiara efatra  miara-mifamezivezy raha manaiky ny hanampy azy ireo ihany koa ny fanjakana Malagasy. Hitarina manaraka izay ihany koa ny tetezana. Tsy mety amin’izy ireo mantsy raha toa ka hisy ny fandravana trano nefa tsy omena vola na onitra mifandraika tamin’ny vola laniny ireo olona voakasika, raha ny loharanom-baovao azo.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT