Fifamoivoizana

Fitateran’olona an-tsokosoko Sprinter 02 sy Toyota Minibus 01 no tratra


  • Alatsinainy 10 Aogositra 2020

Fiara Sprinter 02 sy Toyota minibus iray no tratra nitondra mpandeha an-tsokosoko niazo an’i Talatamaty sy Ivato ny zoma lasa teo nandritra ny fitsirihina sy fisavana nataon’ny zandary tamin’ireo fiara mihazo iny lalana iny.

 

 

 

 Samy nitondra olona 32 avy ilay sprinter raha 15 avy kosa no tao anatin’ilay Toyota. Nisandoka ho mpitatitra mpiasa ny mpamilin’ireto fiara ireto ka nametrahana takelaka sandoka misy soratra « transport personnel » sy soratra « laisser passer ». Mpiasa amina orinasa tsy miankina eny Ivato no nolazain’izy ireo fa ateriny sy alainy amin’izany. Rehefa natao anefa ny fanadihadiana dia hita fa tsy ara-dalàna ireo taratasy ary nentina hisandohana sy hamitahana ny mpitandro ny filaminana izany mba tsy hanakanana azy ireo. Nandray fanapahan-kevitra ny hanasazy ireo mpamily sy ny mpamily mpanampy azy avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritr’ Ambohidratrimo ka nosamborina ary nampidirina « violon » nandritra ny 48 ora ireto farany. Nampidirina ambalam-pamonjana kosa ireo fiara.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT