Fifamoivoizana

Fitateranana Andrasana izay mety ho fidinan’ny saram-piaramanidina


  • Zoma 01 Aprily 2022

“Tsy voafetra ny fivezivezen’ireo fiaramanidina, afaka mandeha araka izay ho afany ny kaompania”, hoy ny minisitry ny fizahantany, Randriamandranto Joel, omaly.

Tokony hampihena ny saran’ny fitaterana anabakabaka izany, hoy izy, izay anisan’ny andrandraina eto amin’ny firenena, mba hampiroboroboana ny fizahantany anatiny sy hanarenana ny sehatra ara-piharian’ny kaompania. ”Tsy maintsy jerena avokoa na ny fepetra ara-pahasalamana na ny toekarena na ny fanaovana ny saran’ny fitaterana na ny saran-dalana anabakabaka”, hoy hatrany izy. Namafisina ny fanaraha-maso amin’ny lafiny rehetra eny amin’ny seranam-piaramanidina, hisorohana ny fandikan-dalàna rehetra, raha ny fanampim-panazavana. Etsy ankilany dia miandry izay fampidinana ny saran’ny sidina amin’ny fiaramanidina izay, indrindra, ireo mpandraharaha mpisehatra amin’ny fizahantany, raha tsiahivina hatrany. Andrasana araka izany ny fepetra maika indrindra ho raisin’ity minisitera ity manoloana ny toe-draharaha.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT