Fifamoivoizana

Fitaterana – Zotra Arivonimamo Mifanenjana ny mpitatitra sy ny ATT


  • Zoma 30 Martsa 2018

Nanao fitokonana faobe ireo kaoperativa miisa dimy manao zotram-pitaterana mampiasa ny lalam-pirenena voalohany. Nitarika izany ireo mihazo an’Arivonimamo, izay nanafoana tanteraka ny fitaterana mihitsy na dia fety aza ny andro raha tsy mahazo valiny mahafa-po avy amin’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT).

Ny alarobia teo no nanatontosan’izy ireo izany teny Mangatany, niaraka tamin’ireo mpanjifa mponin’Arivonimamo izay mitaky ny hamerenana ny tobim-piantsonan’ireo taksibrosy mihazo an’Arivonimamo, Manalalondo…. ho etsy Anosizato. Nesorina teny izy ireo ary nafindra teny Andohatapenaka. Niova hevitra tampoka indray anefa ny ATT ka nandeha nanao fitsirihana teny Anosizato ary nanaiky ny hampiasan’izy ireo ilay tobim-piantsonana eny an-toerana izay nomarihin’ireo mpitatitra fa efa nandaniany volabe tokoa. Ankehitriny, miverina amin’ny heviny indray ny ATT fa tsy maintsy eny Andohatapenaka avokoa no miantsona ny fiara fitaterana rehetra amin’ny lalam-pirenena voalohany sy fahefatra ary fahenina, antony mahatonga ireo mpitatitra mankany Arivonimamo hitokona. Miantso ny fitondram-panjakana hijery ity raharaha ity fa zary lasa kilalao, hoy ny solombavambahoaka voafidy ao Arivonimamo Rakotomanjato Rodin.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT