Fifamoivoizana

Fitaterana Tsy manaiky ny hiasan’ireo taxi-moto ny taxi


  • Alarobia 31 Martsa 2021

Tandindomin-doza ny asan’ny mpitatitra fiarakaretsaka hoy ireo mpikambana avy ao amin’ny CSST na ny “Comité Stratégique du Secteur Taxi”

 

 

eto an-dRenivohitra noho ny fisian’ireo taxi-moto tsy ara-dalàna izay manimba ny asan’izy ireo. Araka izany dia nanamafy ny tsy fanekena ny iasan’ny taxi-moto malalaka eto an-dRenivohitra ary ny hampiakarana sy ny hanamafisana ny sazy ho an’ireo izay mbola minia manao izany ny mpitatitra fiarakaretsaka; izay solon’ireo mpikambana ao amin’ny CSST tena ny talata 30 martsa 2021. Ny antony dia satria ny taxi-moto dia tsy manana fazahoan-dalana hitrandraka izany asa fitaterana izany ary tsy mandoa hetra sy tsy manaraka ny fandaminana eto an-dRenivohitra; mety hampididoza ireo mpandeha ihany koa izy ireo ary tsy voaara-mason’ny fanjakana sy ny CUA noho izy tsy manana taratasy ara-dalàna sy mazava tsara ; eo ihany koa ny tsy fandriampahalemana satria ny taxi-moto dia fitaovana mora ampiasain’ny mpanao ratsy ary manome vahana an’ireo mpanao kidnapping sy ireo jiolahy; manasarotra ny fifamoivoizana.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT