Fifamoivoizana

Fitaterana "téléphérique” Notsirihina ny toetry ny tany hametrahana ireo andry lehibe


  • Alatsinainy 06 Desambra 2021

Ezahina hovitaina mialohan’ny taona 2023 ilay fitaterana teleferika na transport par câble kasain’ny Fitondram-panjakana hotanterahina eto Antananarivo renvohitra hampihenana ny fitohanana lavareny.

 Tontosa tamin’ny sabotsy teo ny fijerena ny toetry ny tany hametrahana ireo andry vy lehibe miisa 78 hisandrahaka amina tobim-piantsonana miisa 12. Maro ireo toerana notsidihina sy nojerena tamin’izany notarihin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny foto-drafitrasa sy ny tanana vaovao eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika Andriamanohisoa Gérard. Nambaran’ity tompon’andraikitra farany tamin’izany fa tsy maintsy hovitaina mialohan’ny taona 2023 ny asa. Olona manodidina ny 4.000 isa isan’andro no ezahina hahazo tombontsoa amin’izany, raha kabina miisa 294 no hampiasaina, 27, 5 metatra miala amin’ny tany no tsy maintsy handatsahana io vy io raha araka ny fantatra ary tsy maintsy haorina mafy izany. Zotra roa no voakasik’ity tetikasa fitaterana «Téléphérique » ity. Anisan’ireny ny Zotra mavo izay hampitohy an’ Anosy - Andohalo - Ambanidia ary Ankatso. Eo ihany koa ny zotra orange izay mampitohy an’ Anosy - Ambohijatovo - Analakely - Soarano - Antanimena - Ankorondrano - Ivandry ary Ambatobe.
Pati

Legende : Tahaka izao ilay zotra fitaterana teleferika
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT