Fifamoivoizana

Fitaterana sy fifamoivoizana Ireo antony hampidirana « fourrière » ny fiara


  • Talata 10 Mey 2022

Maro ireo mpampiasa fiara no tsy mahalala izay antony hisakanan’ny mpitandro filaminana azy eny an-dalana ka mety handraisana fepetra hatramin’ny fampidirana ny fiara ho any am-balam-pamonjana na « Mise en fourrière ».

Nitondra fanazavana mikasika ireo antony mety hahatongavana amin’izany ny sampandraharaha misahana izany na ny DGSR mba hazava amin’ny rehetra. Fantatra ary fa ny tsy fisiana taratasy fahazahoan-dàlana mitatitra olona manokana na vahoaka « Carte violette » dia mety hampiditra ambalam-pamonjana. Eo koa ny tsy fananana taratasy nahavitana fitsirihana ara-teknika « Visite technique » ; ny tsy fananana na fampiasana taratasim-panjakana efa lany daty na tsy manan-kery intsony amin’ny fitaterana entana voararan’ny lalàna « Validité expirée »; ny fitaterana’olona an-tsokosoko « racolage des voyageurs » ; ny tsy fananana fahazahoan-dàlana miasa na « Autorisation »; ny tsy fisian’ny tsipika mamerina hazavana amin’ny fiara vaventy « Bande retro réfléchissante » ary ny fampiasana fiara misy fitaratra matroka misy pellicule « Vitre fumée ». Mahatratra 72 ora farafahakeliny ary 10 andro farafahaelany ny faharetan’ny fotoana itazomana ny fiara hampidirina ambalam-pamonjana hoy hatrany ny fanazavana azo. Aterina eny amin’ny biraon’ny kaominina ilay fiara mandritra izany ka ny tompon’ny fiara no miantoka ny fitondrana azy any sy ny fandoavana ny sazy izay tsy maintsy haloany. Raha toa ka tsy mahaloa ilay saran’ny sazy mifanaraka amin’ny tokony haloa ny tompon’ny fiara dia hanaovana fitanana an-tsoratra ka ny Fitsarana no tompon’ny fanapahana farany amin’izany. Ireo taxibe moa amin’ny ankapobeny no tena tratra’ny foriera eto amintsika izay manodidina ny 4 isan’andro eo ho eo raha kely raha araka ny loharanom-baovao azo. Nangonin’i Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT