Fitaterana mihazo an’i Fianarantsoa

Mandany iray andro mahery ireo mpitatitra


  • Alakamisy 16 Janoary 2025

Mandany iray andro mahery ireo mpitatitra amin’ny fanomanana ny fiara sy ny pitsopitsony rehetra

ilaina miainga eto Antananarivo miampy ny dia manontolo raha ny fitaterana mihazo an’i Fianarantsoa no asian-teny. Araka ny fanazavàn’ny mpitatitra iray eny amin’ny Fasan’ny karàna omaly dia raha hiainga anio amin’ny 5 na 6 ora hariva miala eto Antananarivo ho any Fianarantsoa, ohatra, amin’ity anio ity dia mila tonga eny amin’ity fiantsonam-piara ity amin’ny 4 ora maraina raha mbola te hahita toerana iaingana. Rahampitso amin’ny 8 ora maraina kosa no tonga ao Fianarantsoa, izany hoe manodidina ny 12 hatramin’ny 13 ora eo faharetan’ny dia. Tena mampikaikaika ireo mpampiasa lalana ny fahapotehan’ireo lalam-pirenena, raha tsy hilaza afa-tsy ny lalam-pirenena faha 13 na RN 13, izay nampanantenan’ny filoham-pirenena, Andry Nirina Rajoelina, fa tsy hanaovany politika intsony raha sanatria tsy vita tamin’iny fotoam-piasany voalohan’iny sy ity lalam-pirenena faha 7 na RN 7 ity, indrindra moa fa ny lalam-pirenena faha 6 na RN 6, izay nampihivingivin-doha ny mpitatitra iray mihitsy ary nilazàny hoe aza resahina akory!
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT