Fifamoivoizana

Fitaterana Maro ny vahaolana, asakasak’izay safidin’ny mpitondra


  • Alarobia 20 Jolay 2022

Hevitro izaho irery ity, hoy ny sekretera jeneralin’ny holafitry ny mpanao gazety teo aloha izay sady mpandinika raharaham-pirenena ihany koa, Miary Rasolofoarijaona.

Tena mavesatra ho an'ny fahefa-mividintsika malagasy ilay saran-dalana 800 na 1000 Ariary, hoy izy, fa olona mivelona ihany koa ireo Taksibe ireo. Inona no hamenoana ny banga? Ny fanjakana no tokony hitady vahaolana ary tsindriako tsara fa raha io saran-dalana io no olana, zavatra hafa no mila vahana. Ity aloha anefa no vahaolana fohy ezaka. Avereno ny fampiasan'ny mpianatra sy ny zoky olona na “carte de reduction”. Aleo orinasa no miahy ny fitaterana fa tsy kaoperativa izany, mora kokoa ny manampy azy ara-ketra sy miha tsara kokoa ny tolotra. Aleo hiverina ireo “bus” lehibe amin'ny fitaterana olona eto an-drenivohitra mba ahafahana mampihena ny saran-dalana. Asio “offre abonnement” na tolotra manokana ho an'ny mpandeha ka omena fihenam-bidy ireo mahavidy fotoana lava. Hevitra ihany io, fa mety tena diso tanteraka, hoy hatrany ny tenany. Ny hevitro manokana kosa, hoy ny mpanakanto, Hiary Rampanoelina, raha mikasika ity fitaterana ity, indrindra ny fitaterana an-tanan-dehibe, dia tokony avela sahanin'ny fanjakana na ny kaominina any io fa fatiantoka fotsiny sady problema foana. Tsy maintsy hanao vodihazo, taingim-be, hiady aman'olona foana vao manantena hahazo tombony kely, hoy izy. Ny mpandeha iadivana, ny mpitandro ny filaminana iadivana, ny solika miakatra, ny kojakoja miakatra, ny lalana ratsy, ny tohamboivoy mitombo foana. Aleo mitady fandraharahana hafa fa efa nilaozan'ny toetr'andro iny fampiasam-bola iny, hoy hatrany ny tenany. Tsy vitsy koa anefa etsy ankilan’izay ireo olompirenena mandrisika ny famerenana ireo “bus” lehibe toy ny Fibata tamin’ny fotoan’androny. Maro lafy ny vahaolana fa dia miandry ny mpitondra hisafidy hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT