Fifamoivoizana

Fitaterana Manomana hetsika ny Taxi-moto


  • Alakamisy 02 Septambra 2021

Tsy ara-dalàna ny fahitanay ny fanapahana mikasika ny ‘’taxi-moto’’ tao amin’ny filankevitra monisipaly, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny “taxi-moto”, Tsiritiana.

 Vonona ny hanome volavolan-kevitra ho laniana momba izany izahay saingy tsy noraisin-drizareo, hoy izy. Tokony mba navela hanazava izahay hoe izao no lalàna sy fepetra tianay hitondrana azy. Eo am-pandaminana ny hetsika tokony ho atao manoloana ny toe-draharaha moa izahay, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ity filohan’ny fikambanan’ny “taxi-moto” ity.Raha ny zavatra hita omaly nanerana an’Antananarivo renivohitra sy ny manodidina dia miasa soamantsara ireo taxi-moto.Ny resaka nifanaovana tamin’ny sasany tamin’izy ireo no nahafantarana fa mitondra entana, afaka maka entana ihany koa ny taxi-moto fa tsy voatery hoe olona ihany ary ny tsikaritra dia kinga amin’ny fifampiresahana amin’ny mpanjifa sy fandresena lahatra azy ireo ny taxi-moto.Tombony ho azy ireo ihany koa moa ny fahafahany misisika ka tsy dia miraikitra be amin’ny tohamboivoy tahaka ny fiara.Tsy very fotoana ireo izay maika.Andrasana ihany koa izay ho resaky ny ATT sy ny ministeran’ny fitaterana izay tompon’andraikitra voalohany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT